<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>F.H. Barthelemon</author>
<title>Misy fahavalo maro FFPM640</title>
<lyrics>[V1]
 Misy fahavalo maro
 Te-hiady aminay,
 Faly sy miravoravo
 Raha mamotraka anay ;
 Izahay tsy manan-kery
 Handresenay azy ireo ;
 Ry Mpamonjy olom-bery !
 Jeso Tompo ô ! vonjeo.

[V2]
 He ! mibaiko ny devoly,
 Ilay mpihaza aina soa,
 Ka mikendry hanangoly
 Sy handatsaka aina koa ;
 Tsy mba misy izay hanampy
 Hampandositra azy izao ;
 Hianao no tsy manary
 Jeso Tompo ô ! vonjeo.

[V3]
 Indreo ny fandrika harato
 Izay mivelatra avokoa,
 Tsara sy milantolanto,
 Toa fiainana tokoa ;
 Kanjo indrisy ny mahazo
 Izay fatoran'izy ireo ;
 Tsy mba hainy ny miala ;
 Jeso Tompo ô ! vonjeo.

[V4]
 Miomana ry sakaiza !
 Be ny fahavalonao ;
 Mitandrema sy mahaiza,
 Sarotra ny lalanao ;
 Aza mba matoky tena,
 Fa ny Tompo no jereo ;
 Indrisy re ny halemena ;
 Jeso Tompo ô ! vonjeo.</lyrics>
<hymn_number>640</hymn_number>
</song>